tag:blogger.com,1999:blog-1281558473418015355.post-54439147753494510232008-03-21T15:57:00.007+01:002008-03-21T20:14:20.209+01:00Sary Indray MipikaMalahelo be ao ry reto fa nazeran'ilay zaza ny appareil photo keliko efa mba notsitsitsiko ery (satria milay be ny sary avoakany), tsy lany herintaona akory ny niviadanana azy... dia vita be tery sady amizay tonga dia teo ambony carreaux an'ny douche ve namà!

Voakapoka be aloha ikalapeta...dia avy eo naveriko nandramana nalefa ilay izy, dia nandeha kely ihany; ka ilay zoom mantsy nisokatra fa saika haka sary anahy kalapendina dia kanjo nigorisa teny an-tanàny ilay izy [efa tenenina foana tsy hilingilingy!] . Niala aina miadàna nedàla dia namoy ny ainy ihany ny farany :(

Aiza ve ka efa fanintelony amin'ny app. photo numérique tato an-trano io vita be io izao!Efa nandalovana daholo ihany ny marka nalazalaza (nikon aloha: milay be ilay izy fa avy eo nalefa fa efa antetsa, olympus tsy namely loatra nefa be gadget dia nalefa koa, samsung ilay nianjera moa izany maty nitsitra nohon'ny hetraketrakin'ny tany!) andeha hamely canon indray izany izao...

Ary ny anareo inona?Ikalakelyhttp://www.blogger.com/profile/02142461675503956850noreply@blogger.com